Tongasoa r'ise a !
Inona ity tranokala ity ?
Hatramin’ny nanagasiana sy nahazoan’ny Tily eto Madagasikara ny fahaleovantenany ny taona 1957 dia ny marika Ravinala no marika tokana, nampiavaka sy nampiray ny skoto Tily rehetra manerana ny Nosy sy ny any ampitan-dranomasina. Amin’ny ankapobeny dia tsy niova io marika ampiasaintsika io hatramin’ny nahazoana azy, tsy niova koa ny ankamaroan’ireo singa maha-skoto Tily eto Madagasikara antsika. Andaniny, mbola maro anefa no sahirana maneho ireo singa sy marika ireo araka ny maha-mendrika azy sy araka ny tokony ho izy. Mbola sarotsarotra hita rahateo ny tahirin-kevitra tena nandrakitra an-tsoratra azy ireny, isan’izany ny boky Antsaha tamin’ny nanolorana azy voalohany indrindra (1955). Ankilany, mivoatra ny skotisma ary mivelatra hifanaraka amin’ny maha-hetsi-panabeazana tanora azy, ary isan’ny singa entina hahatomombana ny fanabeazana skoto imatimatesantsika ny fampiasana ireny marika sy endrika fampiainana (cadre symbolique) ireny. Kihon-dalana lehibe tamin’izany ny nanapahan’ny Fihaonan’ny Filoha tao amin’ny FOFIKRI Ilafy tamin’ny taona 2018, ny tokony hampidirana ny lokon’ny sampana Menafify ho ao anatin’io marika io satria tany am-piandohana dia ireo Sampana telo (mavo, maitso, mena) ihany no tao. Noezahina hampifanarahana amin’ny toetrandro koa ny endrika fampiasana azy mba ho hita taratra ilay maha-hetsi-panabeazana tanora lalandava. Ankehitriny dia efa voaaro eny anivon’ny OMAPI (lah. 23908) io marikantsika io, ahafahana mitrandraka azy feno ho fampiroboroboana ny fanabeazana. Zava-dehibe loatra araka izany ny nandraketana an-tsoratra ireo singa maha-izy azy antsika ireo, entina miatrika ireo taona ho avy manaraka, araka ny efa fangatahan’ny FIFITI nanomboka tamin’ny taona 2015. Atolotra an’ise ary ity bokikely ity, nanangonana sy nampivondronana tahirin-kevitra sy lovan-tsofina maro, mba hanampy an’ise haneho araka ny tokony ho izy ny skotisma tily.
Soatoavina iombonantsika
Vavolombelon’i Jesoa Kristy
Olom-pirenena vanona
Andrin’ny fianakaviana
+
Servir Dieu et le roi (ou Dieu et mon pays)
Hanompo an'Andriamanitra sy ny firenena
Aider mon prochain à tout moment
Hanampy ny namako amin’ny fotoana rehetra
Obéir à la Loi scoute
Hanoa ny lalàna skoto
“Mety ho toy ny tsy misy dikany ny fianjaika sy ny maha-ara-dalàna ny pitsopitsony kely rehetra amin’ny fanamiana, nefa tena misy lanjany be amin’ny fivelarana amin’ny maha-ise an’ise ireny ; sady tena misy dikany be dia be amin’ny fijerin’ny olona ivelany ny fikambanantsika satria izay hitan’ny masony no hitsarany antsika.”