Hevitry ny “fleur de lys”

Fahiny, "Fleur de lys" no marika natao hanondro ny avaratra tamin’ny saritany fahiny 🧭 I Baden Powell no nisafidy hampiasa io mari-pamantarana io ho antsika skoto ho fampatsiahivana fa tokony ho azo hitokisana sy azo ianteherana toy ny fanondroavaratra (boussole) ny skoto, ary hahay hampiasa ireo soatoavina maha-skoto mba tsy hahavery mandeha eo amin’ny fiainana. Ny kintana no maneho ny fijoroana ho amin'ny fahamarinana sy ny fahalalàna, ny fatorana no mampiray antsika rehetra ary ny tady misy ny vona fisaka no maneho ny firahalahiana maneran-tany.


...
Loko feno

Endrika ofisialy amin’ny loko feno (pozitiva) amin’ny marika Fleur de Lys ampiasain’ny Skotisma maneran-tany.

...
Endrika miiba

Ity kosa no dikan’ny marika amin’ny loko fotsy, natao ho hita tsara amin’ny toerana na loko matroka na maizina.

...
Marika "monochrome"

Ity no dikan-teny tokana amin’ny loko (monochrome), mazàna amin’ny mainty.