Ohatra entina hampiasana ireo karazana endri-tsoratra
Ho an’ny tambajotra sosialy, ny endri-tsoratra dia tokony ho mazava, manintona ary mora vakiana amin’ny efijery kely.
Toy ny amin’ny afisy sy sary fohy, zava-dehibe ny safidy font mampiseho ny maha-izy ny marika,
manampy endrika maoderina ary mamoaka hafatra mazava eo no ho eo.
Noho izany dia ampiasaina ireo endri-tsoratra manintona sy manam-piaviana izay manampy ny “visuel” hisongadina amin’ny hafatra ampitainy.
Ho an’ny taratasy ofisialy, ny endri-tsoratra dia tokony ho matotra, madio ary
manaraka fenitra iraisam-pirenena mba hampisehoana ny maha-ara-dalàna ny antontan-taratasy.
Safidiana ny endri-tsoratra mora vakiana sy ampiasain’ny sehatra matihanina, voalamina ary misongadina amin’ny maha-ofisialy azy.