Fampiharana mivantana ny marika
Ireto avy ireo sehatra ampiharana mivantana ny marika ato amin’ny Tily eto Madagasikara :
- Sary sy visuel ampiasaina amin’ny tambajotra sosialy sy sehatra serasera hafa.
- Taratasy ofisialy (taratasy fangatahana, fanasana, tatitra, sns.).
- Carte de visite sy fitaovana ara-barotra samihafa.
- Fitaovana fampielezan-kevitra sy hetsika (afisy, badge, banderole, sns.).
- Support visuel rehetra ampiasaina amin’ny fampahafantarana na fifandraisana.
- Support numérique (slide, présentation, mockup, sns.).
Ny fampiasana ireo rehetra ireo dia natao hanamafisana sy hampahitana hatrany ny maha-izy ny Tily eto Madagasikara amin’ny fomba mirindra, mitovy, ary manaja tanteraka ny mari-pamantarana ofisialy.
Eto ambany dia aseho ohatra vitsivitsy amin’ny fomba fampiharana ny marika amin’ireo sehatra samihafa.