Scout Brand Toolkit
Ready for Life — Prêts pour la Vie
Ready for Life
Prêts pour la Vie
Listos para la Vida
جاهزون للحياة
Prontos para a Vida
Vonona amin'ny fiainana
Ireo paleta loko ofisialy
Ny lokon’ny skotisma maneran-tany dia taratra avy amin’ny zava-boahary manodidina antsika : ranomasina, ala, tany efitra ary ny zava-maniry. Ny paleta 2024 dia ahitana loko fototra, loko fanampiny, ary paleta nohitarina hanome safidy malalaka sy mirindra amin’ny famoronana kisary.
Fitambaran'ny loko
Mamorona fitambaran-doko mirindra sy mifanaraka amin’ny toromarika ofisialin’ny marika Skoto. Azo atambatra ireo loko samihafa raha mbola manaja ny fitsipika momba ny fidirana ho an’ny rehetra (accessibilité).
Fitambaran'ny loko Ofisialy Voafaritra
Ireto fitambaran-doko ireto dia atolotry ny toromarika ofisialin’ny marika Skotisma Maneran-tany 2024 ary afaka hampiasaina amin’ny famoronana votoaty sy sary.
Vérificateur d'Accessibilité
Andramo ny "contraste" eo amin’ny fitambaran'ny loko ampiasain'ise araka ny fenitra WCAG 2.1. Ny lokon’ny Skotisma Maneran-tany dia noforonina manokana mba hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena momba ny fidirana amin’ny tranonkala.
Ready for Life
Exemple de texte pour tester la lisibilité
Normes WCAG 2.1
AA – Soratra mahazatra
Ilaina ny taha farafahakeliny 4.5:1 ho an'ny soratra mahazatra (ambany noho ny 18pt na 14pt raha soratra "bold").
AA – Soratra lehibe
Ilaina ny taha farafahakeliny 3:1 ho an'ny soratra lehibe (18pt na mihoatra, na 14pt "bold").
AAA – Soratra mahazatra
Ilaina ny taha farafahakeliny 7:1 ho an'ny fitoviana avo lenta indrindra amin'ny soratra mahazatra.
AAA – Soratra lehibe
Ilaina ny taha farafahakeliny 4.5:1 ho an'ny kalitao ambony indrindra amin'ny soratra lehibe.
Adikao ny paleta
Azon'ise adika feno amin'ny endrika isan-karazany ireo paleta ireo.
/* Sélectionnez un format ci-dessus */
Mombamomba ny Marika
Fampahalalana momba ny maha izy ny marika skotisma maneran-tany, izay nankatoavin’ny Komity lehibe Skoto maneran-tany.
Emblème Scout Mondial
Nohavaozina tamin’ny taona 2024, voalohany tao anatin’ny 55 taona. Ny fleur de lys dia mijanona ho mariky ny fanorana sy ny soatoavintsika, ny kintana dia manambara ny fahamarinana sy fahalalana, ny rohy dia maneho ny firaisantsika, ary ny tady mivondrona amin’ny vona fisaka dia mariky ny firaisankina sy ny firahalahiana maneran-tany.
Paletan’ny Loko
Ny loko ampiasain’ny Skotisma maneran-tany dia nalaina tamin'ny aingam-panahy avy amin’ny tontolo voajanahary : ranomasina, ala, tany efitra ary ny zava-maniry. Ny loko volomparasy dia mijanona ho loko fototra, tohanan’ny paleta fanampiny.
Endri-tsoratra
Endri-tsoratra lehibe : Scouts GT Planar ho an’ny lohateny, manana antsipiriany sy endrika manokana mampiavaka azy. Endri-tsoratra fanampiny : Noto Sans (800+ tenim-pirenena) ho an’ny lahatsoratra sy ny fampiasana nomerika.
Singa Sary (Éléments Graphiques)
Endrika nalaina avy amin’ny mariky ny Skoto sy ireo "insigne". Misy teboka sy tsipika manahaka vona, ary endrika avy amin’ny fehitenda. Ireo singa ireo dia manampy amin’ny fitantarana sy fanamafisana ny tantaran’ny Skotisma maneran-tany.
Skoto 57 Tapitrisa
Ny marika nohavaozina dia nalaina aingam-panahy avy amin’ny hevitra sy herin’ny fiarahamonina skoto maneran-tany, mihoatra ny 57 tapitrisa, vonona handray ny Vinavina sy Paikady vaovao ho an’ny Skotisma.
Iraka
"Fanomezana fahaiza-manao sy soatoavina ho an’ny tanora mba hahafahany mamolavola ny fiainany." — Ny marika dia mikendry ny hanentana sy hanome aingam-panahy ny skoto mba hiditra sy handray anjara amin’ity taom-piasana ity.
Topimaso momba ny endri-tsoratra
Endri-tsoratra nampiasaina: Noto Sans (endri-tsoratra faharoa ofisialy ho an'ny skotisma maneran-tany amin'ny fiteny 800+)
Ready for Life
Prêts pour la Vie — Vonona amin'ny fiainana - Listos para la Vida — جاهزون للحياة
Scouts Aa Bb Cc
Scouts Aa Bb Cc
Scouts Aa Bb Cc
Scouts Aa Bb Cc
Scouts Aa Bb Cc
Scouts Aa Bb Cc
Fampiasana ny mari-pamantarana
Ampiasaina araka ny torolàlana ofisialy.
eo amin'ny loko "Scouting Purple"
eo amin'ny loko "Canvas White"
eo amin'ny loko "Midnight Purple"
eo amin'ny loko matroka