Saripika

Ny sary dia singa lehibe amin’ny fifandraisana satria izy no mampita fihetseham-po, manamafy ny hafatra, ary mampitsiry endrika mazava sy manintona amin’ny votoaty. Zava-dehibe noho izany ny fifantenana sary mifanaraka amin’ny tanjon’ny Tily eto Madagasikara, manaja ny maha-izy antsika, ary maneho ny fivoarana nefa tsy miala amin’ny fototra ijoroantsika. Tokony hitovy kalitao sy fomba fanehoana avokoa ireo sary rehetra ampiasaina, na amin’ny sehatra nomerika izany na amin’ny fanontana, mba hahatonga ny marika hiseho ho voalamina, matihanina ary mirindra hatrany.

Karazana sary atolotra

Ny saripika ampiasaina ao amin’ny Tily eto Madagasikara dia tokony haneho fandraisana andraikitra, mitantara ary maneho hafaliana sy fahavononana amin’ny sahan'asa na fanompoana atao. Ifantohana ny sary ahitana skoto tanora, indrindra ireo beazina, mihetsika ao anatin’ny tontolo misy azy fa tsy sary "posing” loatra na sarin'olon-dehibe mivory.

  • Sary mampiseho hetsika skoto tena izy (fiainana an-dasy, lalao, ...)
  • Sary maneho firaisankina sy fifankatiavana.
  • Sary mazava, manana hazavana sy loko madio, tsy manjombona na maizina loatra.
  • Sary manaja ny fahamendrehan’ny olona rehetra aseho (tsy maneso, tsy manavakavaka).

Ohatra amin’ny fanehoana saripika

Ohatra: fiainana an-toby

Fanehoana beazina

Sary mampiseho hetsika sy ny lalao maneho beazina na tanora.
Ohatra: fanompoam-pirenena

Asa firotsahana

Sary maneho fanampiana sy fandraisana andraikitra ho an’ny fiaraha-monina.
Ohatra: fivoriana sy fianarana

Fiainana an-kalamanjana

Sary maneho fahavononana, tsiky, lalao, ...

Sary tokony ialana

Mba hitehirizana ny maha-matihanina sy ny fiarovana ny beazina sy ny tanora dia misy ihany koa ireo karazana saripika tsy tokony hampiasaina na tokony harahana fepetra hentitra.

  • Sary maloto kalitao (mikorontana, manjavozavo, manjavona na tapaka an-dohan’olona).
  • Sary nalaina tsy nahazoana alalana mazava tamin’ireo olona hita ao, indrindra raha beazina.
  • Sary misy votoaty manala baraka, manavakavaka na mifanohitra amin’ny soatoavina maha-skoto.
  • Sary ankapobeny izay tsy ahitana ny marika skotisma maneran-tany na ny marika Tily eto Madagasikara.